Hambom-poko (ngou)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha izay
Nitiavako anao izay
Dia tsy hita ho lazaina
Fa na dia ho simba aza ny tontolo
..........'Lay fitia dia tsy mba ho maina

Tsy hitako anefa
Izay mba setriny
Tsy nahazo aho
Na dia ny am-pahefany
Tsy mba nafoinao ho ahy akory
Fa nohidinao ny fonao
............Hatory

Very ianao, eny very
Veloma f'izaho kosa handeha irery
Ho adinoiko ianao, eny ho adinoiko
F'izany
.........no hambom-poko

Very aho sanatria moa izany
Aleoko mangina ary mitraka hatrany
Ho adinoiko ianao eny ho adinoiko
f'izany
........no hambom-poko
--------
Rohy:
2305 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ngou
Nampiditra : ngou
Daty : 28/01/2004 13:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095