HARENA SAROBIDY (Niavo nekena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HARENA SAROBIDY

Ianao ilay reny niteraka mba ho atao fitaratra
Nifidy ianao ho reny dia ianao ilay modely
Ny fombafombanao no hianarany amin'izao
Reny zao ianao dia ho hataony fankatahaka
Mamy tena mamy toy ny tantely
izany reny izany

Meteza ho reny tsara dia fakao izay ambara
Anao tokoa ireo,ianao no nijaly teo
Na ho fenoinao ratra dia tsy misy hidiran'ny hafa
Na aza ireo mahatsapa dia tsy afakin'ny andrara
Satria, ianao no mandidy,ka mahaiza re maneo
fitiavana ny ankizy

Fa tsy teny ratsy no hisalorana,dia ho biby fatahorana
Ekena ny zaza raha maditra,dia tsimaintsy ianao masika
Fa kosa tsy midika,hoe:bedieso amin'ny ompa makarary
Dia ny teny ratsinao no hoentina andrahonana an'ireto zanakao
Dinio sao mandrora mitsilany ka
hifototra amianao
--------
Rohy:
Sokajy : Ho an'i neny
163 1
Mpakafy: Lokomainty
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Niavo nekena
Nampiditra : Lokomainty
Daty : 24/09/2023 20:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142