Nofinofim-piainana (Nirina(hafahafa))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofim-piainanaTe mba hanonofy a lesy ry namako
Ka na dia kely monja aza dia ande hoandramako:
Tsy oe sanatria voadonam-pitia
Ka hamisavisa ny hanaridia
Lazaina fa miainga aminy nofinofy lesy ny fianana
Finoana arahan’asa no ande ho antenaina
Rehefa tsy manao ratsy mo lesy ve tsy otafita fona?
Satria efa nifofotra mandavan-taona
Efa ela nitadiavana letsy ry namana a!
Fa toa mbola tsy ariary fona ny ety an-tanana
Ny isan’andro dia toy ny omaly tsy miova
Tsy aiko oe rovina no mba hampandova
Lasa ny saiko de mba nandray kely
Dia niezaka ny hanonofy irery
Aona tokoa moa ty fianana an-tany?
Fa toa tsy mba mety maita maminy zany
Toa marina iany lay teniny mpanoratra
Fa ny eto an-tany tena lasa nivoatra
Miazakazaka fona fa tsy mba miaotra
Asa maika hanonofy ny hanamboatra
Efa tsijony tokoa ve ny ampitso maraina
Sa sendra mba nifanandrify ireo nolazaina
Ndraindray be bitaka refa mahazo ny anjara
Toa mandalo iany nefa zany toy ny tantara
Raha nofy lesy ny tsara tsy tiko hisy fanamperany
Adino daolo ireo olana ivelany
Fa tiko iainana, tiako hitohy
Nefa nofy iany …nofy atrany .
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana