Misy fotoana (Ny Ako)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fotoana aho manembona foana
Ireo lasantsika tsy haiko adinoina
Dia misy fotoana aho lasa misaona
Ny anaranao no ventsoventsoina

Misy fotoana aho maniry mafy
Hihaona aminao ilay tiako fahiny
Dia misy fotoana aho te hian-tsampy
Kanefa izy iny efa tojo ny tiany

Misy fotoana aho latsa-tomany
Toa te hiverina iaina amin'ny lasa
Dia misy fotoana mijery ny sary
Tsy mety sitran'ilay fo maratra

Saingy amin'izao aho tojo tiako
Miaina finaritra tsisy halahelo
Dia izy indray no antom-pisiako
Hifampizarako ny tsiambaratelo
Ny Ako 16/04/2025
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
280 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny Ako
Inséré par : Ako2
Date : 16/04/2025 08:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106