EFA BOBONGOLO (Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nosokafako 'dray lay diary
Nikombona efa ela
Nirakotra ireo tsiahy
Sisa-pitia tavela

Noraisina ny penina
Hameno ireo takila
Hanarona ny nenina
S'ireo ambiny tsy kila

Narehitro ny afo
Anome afanana
itsikin'ny fo
Itsirian'ny fanantenana

Dia....
Navadika ny pejy
Ho tantara vaovao
Re tao anaty injay...
Lay fitia natolotrao
Dia.....
Nanomboka teo, izaho sy ianao
Namakivaky fiainambaovao

NAS 03/04/09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
766 0
Hevitra mandeha
batotoa ( 19/09/2012 07:33)
amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra
Nampiditra : endryk
Daty : 09/09/2012 18:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142