FONY...... (Ny antsan'ny foko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony izaho sy hianao mbola nifankatia
Dia tsy navelantsika ho irery izao diavolana izao
Fa teo isika no niar-nankafy
Nifamihina,nifanoroka.... toa tsy hifandao
Fony isika nilalao
Tamin'ny takariva diavolana
Dia nifanaiky tsy hifandao
N'inon'inona olana
Fony izaho nitia anao
Sambatra aho fa hoe tiana
ka nitoky ny fitiavanao
dia niaina amim-pifaliana
Nefa.... fony hianao hoe hiala
F'efa leo ny fitiavako
Ka nanova ilay malala
akory moa ny fahavoazako????
Dia lasa tokoa hianao nilefa
sy nanova olo-tiana
f'ilay foko kosa anefa
Mbola tia anao ry Tiana
Fony maty anefa ilay fitia
Tena nampijaly ahy
dia tonga indray hianao ity
hoe tena mbola tia ahy????
Tsia, Tsia no valiteny
Satria sarotra tokoa
Tamin'ny foko feno fery
ny hamela anao Ndrematoa
Fa iza moa no namporisika
Ny fonao handao ahy
Moa tsy hianao ihany no nisisika
sy niseho ho sahisahy?
f'efa leo ny fitiavako
ka nandao tsotra izao
ka izao no izy rahavako
Efa sambatra ilay fo natosikao
Sady izaho rahateo
Efa nahazo olo-tiana
Ka ilay fo nijaly teo
Efa miaina amim-pifaliana
Koa mahereza sombin'aina
Fa fony tia aho tsy nilaina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
739 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny antsan'ny foko
Nampiditra : nyantsanfoko0107
Daty : 15/03/2017 06:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132