Ary raha averina ? - Ny Asy Camille
Azo vakiana?
Ianaomitaky raha mitady
taratasy atontantsary
mahandrasa kely azafady
ny hamerina azy mankarary
ny anao kay moa nampindramina?
mpamerindoha aho tsy tompony?
raha mbola misy ny azo halamina
lazao hoe inona notokony ?
Hilaza ary hoe mba avereno
ireo safo sy oroka sy ny etsetra
izay hevitrao hoe mba teneno
ho asiana onitra sa fetra ?
Aza misahirana ny hoaty
avelao ahono hanatitra azy
na hoeo handray ianao na tsia
ekeko raha izay no sazy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Asy Camille
Nampiditra : camkzDaty : 21/02/2004
Mpamangy : 1156
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
tsikyFiononana