NANDALO (Ny Avo Wencesias)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo ianao niserana nitondra tafatafa,Eny!niserana dia lasa...
Fa ny tsikinao nipetraka ka fatratra dia fatratra
Eny!tena lafatra ny dindo izay napetrany!
Asa...hatraiza angaha ny fetrany?
Ianao tsy mahalala fa ny resakao iny!
Dia nampihena betsaka reo ady sy hirifiry
Niempo tato anatiko...
Matetika io tsy tantiko ka tiako hotantaraina,
Nefa...amin'iza no hitaraina?
Soa fa teo ianao na dia nandalo ihany,
Ary tiako ho fantatrao fa ianao na alavitr'any
Dia nitoetra eto ikÿ...
Ary mamy sady fy iny tsikinao iny!
Asa...moa ve aho hanan-tsiny
Raha nandalo anaty nofiko
'lay vahiny rotsirotsiko?
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
