Lamaodim_behivavy (Ny embona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha izao no mandroso,mitohy,mitohy,..
Hisintona hatraiza ‘ty zipony fohy?
Nanarona ranjo taloha elabe,
Fa ankehitriny kosa an-tsasaka fe!

Lamaody tokoa ve no tiana ho voatandro
Sa efa ny kibo no mila masoandro?
No dia tsy eny an-dalana tsy eny an-tsena:
Manoatra ny akanjo hivarotra tena?

Vehivavy tsiririntina indray mantsy hono:
Ny be ao afara sy dongona nono!
Koa zary fitafin’ny liam-pisandratana
“Ireny mifinjy manarakavatana!”

Izao anefa tiako anafatrafarana,
Ry mbola ho reny handimby ny anarana
Matoa izay maditra zahay lehilahy:
Dia ‘nareo vehivavy no maka fanahy!

Ry Ikaky sy Ineny,ô,faingana vonjeo!
Tai-tsoratra akanga ny zanakareo!
K’indrisy nanjary nidiran’angano:
Sahy nanary ny akoho tamàn-trano!

Hivelatra,hono,no anaovan-damaody!
Hay fijangajangana no mihaodihaody!
Rankizy ô!,tandremo sao zary mosavy:
‘Ty fomba vahiny”lamaodim-behivavy!”
--------
Rohy:
1263 1
Mpakafy: pissoa
Hevitra mandeha
ledada ( 02/01/2007 12:23)
io ihany ny an'ny vehivavy nefa ts arakarak'io aory rehefa voaolana!hahahha! manempotra mihitsy ny mijery ilay vehivavy manao pataloha d hita mifaritra mihitsy ilay tataka eo @ elakela-pen'ilay pataloha!
volana1 ( 13/03/2008 07:26)
Aoka kosa moa e ! Nareo lehilahy angaha biby ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny embona
Nampiditra : Ibalitakely
Daty : 11/12/2006 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159