INY ZANAKO INY (Ny_Vetso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY ZANAKO INY
Ry Raiko Masina any ambony o!
Fotoana mety indrindra ny anio hibitsihiko aminao
Izay mba sentosentom-poko sy izay rehetra anatiko ao.

Ny angatahiko aminao
Dia ny hijerenao manokana an'iny zanako iny.
Any izy, lasana any, manomana ny hoaviny.
Aza avela ho kivy, aza avela ho lany,
Izay herim-po ananany, sikinany any anatiny any.

Tsinjovinao ry Raiko, raiso an-tanana ny diany.
Ampahafantaro azy izay mety hiafarany
Hahafahany mifehy sy hahafahany manomana ny vatsin-dalana ilainy amin’ny lalana mankany.

Vao manomboka ny lalany, ka hazòny, re, ny tanany
Hahafahany mandingana sy miampita avy hatrany.
Ary…
Hiatrehany sahady ireo hantsana sy hady.
Fantatrao izy iny, tsy lehibe manao ahoana
Mbola zazazaza foana ka mila Anao hanolo-tsaina, mila Anao hiaraka aminy,
Ka aza avela handalo ireo fitsapana sy fitiavana, ireo tambitamby sy anatranatra, ireo mety ho kapoka sy oroka izay nandalo rehetra taminy.
Aoka Ianao hitoetra eo aminy
Mba ho takany sy ho fantany,
Izay hevitra fonosiny sy ireo rehetra mety ho antony.

Iny izy Tompo ô,
Aza avela hifidy izay lalan-dratsy mampivarina,
Fa tezao mba hiandany amin’ny tsara sy ny marina.
Aza avela hiroso na hanandrana akory izay rehetra mahafanina;
Fa avilio sy ahitsio mba ho tonga olom-banona.
Mba omeo izay mety ho anjara sy sahaza ho azy,
Fa aza dia vesarana izay mavesatra sy mafy sy ireo rehetra mety ho sazy.

Na dia hoe…
Eto an-tany fandalovana mora simba vetivety aza,
Dia anokany fanomezana izay antonony sy mety,
Dia aza avela ho sina izy,
Fa mba omeo ny fifaliana.

Fa ny tena angatahiko.
Dia aza avela hosondriana na ho variana hitanondrika ao anaty ady sarotra.
Fa…
Tolory azy ilay maharitra,
Dia ilay toerany any an-danitra.

Diampenin’i NY Vetso
(Ambatomaro 27 Aprily 2015 tamin’ny 10 ora-12 ora alina)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
85 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny_Vetso
Nampiditra : NyVetso001
Daty : 13/04/2025 05:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136