METEZA HO FANASINA (Ny_Vetso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
METEZA HO FANASINA!
Ho fanasina hanamasina ny tontolo manodidina ny fisiantsika sy ianao.
Ho mamy sira sy hampatsiro,
Hampandroso ny Nosintsika ary hitondra loko vaovao.

Fanasina hanova tsiro, hanome tsiro ny fiainana;
Hanazava sy hitsilo,
Ka hiara-mientana isika, hisorohana tanteraka ireo karazam-pahalainana.

Tsy hisy hahasira antsika, raha izaho sy ianao izay fanasina indray no hanatsatso sy hampifendro,
Na hanakivy sy handetika ary hanavesatra matetika amin’ny teny maharary.
Tsy hanosika ny hafa an-kolaka na an-karihary.
Fa aoka ho tena ilay fanasina e!

Ka ny tarigetrantsika?

Fanasina aho, fanasina izy!
Ny tanora, ny lehibe, eny hatramin’ny ankizy.
Ho fanasina avokoa isika rehetra tsy an-kanavaka,
Hifampikolo, hifanabe, hifampitolona am-bavaka.
Ary ho fitaratra hitarafana!
Hanova ny endrika ho tsara…
Handroso, anie, I Gasikara.

Asa soratr’i NY VETSO
(12 Novambra 2013 tamin’ny 10 ora alina, nasiam-panovana androany 22. 06. 2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
77 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny_Vetso
Nampiditra : NyVetso001
Daty : 13/04/2025 05:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0137