eo mba.... (NySoratro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na anio fotsiny tsy maninona,fa tairo eo mba ataovy tsapako ilay atao hoe hamamiana
Efa lasa fiainana mahazatra manko ny ahy ny mitomany fa tairo eo mba asio fifaliana
..
Ady lava ny fiainako, mitolona mafy f'indrisy tsy mety maharesy
Fa androany ataovy azoko ny hamboara, eo mo e!! tairo eo mb ataovy izay mety
..
Miezaka manampy ny hafa fona aho fa ny mpialona milaza fa ny ahy fanapiana hiandrasana valiny
Fa tairo ranga, eo mba ataovy tsapany fa avy amin'ny fo ny ahy ireny tsy mila tambiny, izay n tena marina
...
Ataovy mba tsapako izany tena fitiavana fa matetika ny ahy ny fiarahana toa lasa fialamboly
Miaraka amin'ny olona aho matetika,samy hafa tarehy fa ny hitambaran'ireo dia tsy misy maharitra na dia roa volana akory
...
Ataovy mba sahiko ny mitantara olana amin'ny akama
Tairo eo mba bedeso aho refa mivarolavo amin'ny toka sy sigara
...
Ataovy tsapako hoe mamy ny miaina fa ny hamonotena izany tsy vahaolana
Ataovy manaiky ny saiko hoe misy izany Andriamanitra izany mpamela heloka sy mandray fifonana
...
--------
Rohy:
306 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NySoratro
Nampiditra : Ampiantsoa
Daty : 31/03/2023 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091