Ho an'ny zanako (Odilon Razaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoan'ny zanako
Na hikiry na ihafy dia ho atao
Na hikiky na anafy dia ho anao
No ifohazana maraina
Ianareo no dimbin'ny aina
Ho taranaka hitohy
Ny fotoana no amoy
Ny fahitako anao ifaly
Tsy ho zakako mandramaty
Ka iezaka ampifaly
Iriko tsy ijaly
No anaovanay ireny
Hoy i Dada sy I Neny
Ka Aza mandraka Ilo mby an doha
na ko Alaina ny ifoha
Fa ny Hery ireo Razana
Indrindra ireo anarany
Ho entinareo mifandimby
Kolokoloy tsara ireo Dimby
Fa ireo no itondra
Isan'andro isan'ora
Ireo tandidona iseho
No hitoetra ho anareo
Mahaiza mifampizara fitiavana
Aza adino Koa ireo havana
Ireo razana efa niezaka
Ka Aza avela ho raraka
Ireo fanabeazana noetiny
Sy ireo fahalalana noventesiny
Ka mahaiza mifampizara
Ho an'ny taranaka amampara
Fa ireo no Fanahy I toetra
Amin'ity fiainana tsy manampetra
Raha misy mahatezitra
Mandehana aloha mihevitra
Fa aza mandray antendrony
Sao sanatria ho levony
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
29 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Odilon Razaka
Nampiditra : OdilonRazaka
Daty : 13/01/2025 06:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.175