Ilay diariko (Oelydina ( alias Voninkazo.fotsy ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsaroako hatrany foana
Ilay indray sabotsy hariva,
Izay nifankahitantsika;
Toa manjohy ahy foana
Ireo vetso takariva,
Norotsian'ny mozika.

Mozika izay fanaonao!
Tafapaka tato am-poko
Nohiraiko, nokaloiko…
Nokaloiko ho anao,
Eny, ho anao irery,
Ry malalako tsy foiko.

Toa mamelovelo hatrany!
Mipololotra be ihany..
Avy ao anatiko ao,
Ireo ora mamy dia mamy,
Fy-ko indrindra teto an-tany,
Fony teo anilanao.

Ireny rehetra ireny anefa,
Dia navalon'ny fotoana!
Fitia diso fiantefa,
Nofinofy teny foana ;
Nofinofy tsy tanteraka,
Nampitondra fahoriana ;
Ka navaloko tanteraka
Ho diarin'ny any aoriana!

(05 juin 2001)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana - embona
2127 1
Mpakafy: achrafhanna
Hevitra mandeha
Rajordri ( 09/08/2008 15:45)
"fitia diso fiantefa": Misy ve izany? raha fitia:"on s'est aimé et on se quite..."
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oelydina ( alias Voninkazo.fotsy )
Nampiditra : voninkazo.fotsy
Daty : 08/08/2008 11:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0525