Ireny zazalahy ireny (Olontsoa)

Nantsain'i Olontsoa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireny zazalahy ireny, vony hanitry ny ala
Natsikafon-drivo-maina eny an-tsefantsefana habaka.
Ireny zazalahy ireny, na iriana ho malala
Tsy ho avy, tsy ho hita, fa mandre anao mivavaka.

Ireny zazalahy ireny, masoandro vao maraina
Mitaratra hazavana, mitsilo anao ombieny.
Ireny zazalahy ireny... Aina feno aina,
Apingan-Janahary mamelona ny teny.

Ireny zazalahy ireny, zavatry ny lanitra.
Miaina ny tontolo any ankoatrahoatrany any.
Ireny zazalahy ireny no zanak'Andriamanitra
Miaina manontolo toy ny zanaky ny tany.

Ireny zazalahy ireny, zaza kanto misariaka
anivon'ny tontolo, vatana sy saina.
Tsy azonao bedaina... Tazana fa tsy hita
Ireny zazalahy ireny, zavozavo miaina.

Ireny zazalahy ireny no tena lehilahy.
Akora itoeran'ny atodina fanahy.
Vongam-paharian'ny Poeta tena sahy
Zazalahy MAHERY, zazalahy FANAHY

(c) Olontsoa
--------
Rohy:
93 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Olontsoa
Nampiditra : hery
Daty : 14/03/2025 10:13
Antsantononkalo
Nantsain'i Olontsoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0218