Ramiaramila (ONJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ianao ramiaramila,
Miaramila be galona,
Tandroka aron'ny vozona,
Kinanjo nanao taingim-bozona.
Nantenaina hiambin-tanàna,
Hay nilaozana nihanahana.
Nandrandraina hiaro ny olona,
Lasa izy indray no nitolona.
Nantenaina mba ho aro riaka,
Naleonao nanao pôlitika.

Dia tohizo hatrany hatrany
Ireo fomba amam-panao
Hatrany ambanivohitra any
Ka hatrany anatin'ny birao.
Irony basy sy ny bala
Ampindramo ireo malaso,
Fa iza moa no hahalala,
Tsy hisy koa hanara-maso.
Dia zarao ny vokatra azo,
Na omby io na vatan-kazo,
F'ireo izao no tena harena :
Bolabolan'andramena.

Kanefa izao no tadidio :
Aza zatra na variana,
F'izay nafafinao anio
Hojinjainao any aoriana.

28-12-2012
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ONJA
Nampiditra : ZAKAIOSY
Daty : 02/08/2013 19:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137