hadisoam-panantenana (onjanabakabaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ianao no nametrahako ny foko
ianao no nantenaiko hifaharana
indrisy anefa fa nivadika ho toloko
toloko izay tsy maintsy hoentiko eoantsoroko ankavanana


taratasy sesehena no nalefako ho anao
lay fitia tato anaty no nanosikahy
eny hatraminizao
ary tsy hitsahatra raha tsy efa eo ambavahoana

fantatro izany rahetra izany fa tsy voavakinao akory
lava loatra mantsy
ny fiahiko izany ihany notsy nahitako tory
fa mandry andriran'antsy

heverinao angamba fa mitovy avokoa ny tovovavy
ary raha izany izaho hiavaka @ pourcentage
rahefa tsy tianao aho marary anaty ihany fa angamba hahay mionina
fa ny vatako jamais raha ataoko sorona

vonon'aho hisedra sy handresy ny filana
mba ho haingo sy ho ravaky ny hatanorana
raha mba tsy nanota angamba iadama sy eva
de ho niaina finaritra tao anatin'ny kanto sy ny meva
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : onjanabakabaka
Nampiditra : onjanabakabaka
Daty : 17/08/2007 10:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133