Fisarahana (Papoosy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa ny eritreritrao
Sy nandinika ny atao
Ho faranana eto agamba
ny fitiavako anao

Ny fitia hono mantsy
Tony voninkazo eny an-jaridaina
Tondra-tondrahana eny mba
tsy halazo sy ho maina

Nefa ny fitiav’antsika roa
Toa navelanao ho lo
Tsy nojerevanao akory
Inty foko efa ory

Mba niteny iany ao
Nanambara izany anao
Nintaraina hatrany hatrany
F’efa leo ny tomany

Tsy no henohinao ra havako
Zato sento ny fitiavako

Tiako loatra anefa ianao
Tsy atakaloko vaovao

Fa hitondra ana ho aiza
Ny fitiavako anao ry sakaiza

Ka ny teny vitsy sisa
No any mba hitanisa

Ny alahelo hatrizay
No komboniko ho hay

Ka veloma no ampetrako
Hamaranana ny resako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5523 1
Mpakafy: papoosy
Hevitra mandeha
idealy22 ( 17/03/2011 11:49)
tena miasa b amiko io tononkalo io k mba indramiko vetivety
Christianot ( 02/06/2017 11:58)
tena tiko io tononkalo io,sad somary nanaitra kely ny foko,zay le izy satry niainako.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Papoosy
Nampiditra : papoosy
Daty : 05/01/2011 21:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733