MPIASA DIA PATRÔ (pentina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIASA DIA PATRÔ

Salama Patrô hoy ity mpiasa iray
Nijoro teo anoloana, nitehina an-databatra
Tsy niarahaba akory izy niditra otrizay
Tena feno fahavononana hita mihintsy ho tsy niambatra

Inona ny anao, hoy ilay Rangahy niketrona tsotra izao
Mihemora iray metatra dia lazao ny antondia
Ary amin'ny ao aoriana dia mba manaova palitao
Amin'izay angamba ianao, ho mendrika ity seza ity

Azafady Tompoko, tsy resa-tseza izy ity
Mbola mety ihany mantsy ireo ankalana any antrano
Fa resaka karama no tena mampahia
Ny zaza mitomany, rafotsy miteny hoe fahano

Heee, raha izany indray dia tsotra, mila miverina an-tsekoly
Mba hahazo diplaoma hahabe mari-karàma
Fa inanreo ko anie dia variana miala voly
Miteraka isan-taona mampitombo fahantrana

Ka izaho aza lasa saina, fa ahoana tokoa moa
Misy mizàna mitanila ary tena mampalahelo
Ny ahy ny zaza VALO izao, ny anao zara (raha) misy ROA
Ny ahy ny vady iray monja, ny anao misy ankitelo

MMMooramora ialahy leiroa, ary etsy mahazoa fitoerana
Aza be resaka amin'izany, raha tadidy aleo fafàna
Izay mahalala ankoatran'ialahy ato aza anie tsy ferana (e)
Tena loza anie leity ra zany no fantatr'i Madama


'zany aza efa fantany koa, ato koa misy tsy mamely
Nahita vaha-olana izy fa ianao hono raiki-dava
Mikarakara tovolahy, dia mitaiza bandy kely
Ilay mpamilintsika ao, ilay kelikely lavalava

'Ilay boriky lahy ity, nahoana izany tsy lazaina?
Hodian'ialahy ahodikodina amin'ny resaka karàma
Izay no nandrasako tamin'ialahy hatyry ny maraina
Mody jerena dombo ialahy, kay fetsy sy malama

Tena resaka matotra, raha ilay karàma nolazaiko teo
Ampitomboy mihintsy ny ahy raha hanao fitsikilovana
Izay anie no nokasaiko holazaina anikeo
Fa ianao tonga dia tsy sahy, nahita ahy fadiranoavana

Lazao daholo izay ilain'ialahy, lazao ny dingana lalovana
Finday, basy, vola, masolavitra hahafahana mitily
'zao d'izao ialahy dia lehiben'ny fiarovana
Hitsikilo an'i Madama manodikodina mpamily

Voaray izany Tompoko, ho tanterahina izao
Ilay fiaranao izany no hoentiko mankany?
Ka raha azo atao ary... ampindramo palitao
Avo lenta loatra mantsy izany andraikitro izany

PENTINA 1995(notsoahana tao amin'ny "Bantsilana" pejy 33-34)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
912 1
Mpakafy: rarody
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : pentina
Nampiditra : rarody
Daty : 06/03/2020 13:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068