Hevitra momba ny Ity Foko

Hiverina amin'ny Ity Foko
tsikikely ( 22/01/2008 19:36)
Tsara ny tononkalonao. Mbola ho avy ny maraina ho anao. Hihiratra hoatra izay koa ny masonao dia ho fantatrao ny ho tiana amin'ny fo manontolo sady mitia.
pissoa ( 22/01/2008 20:00)
Misaotra idrindra.

[u]Fanamarihana lehibe :[/u] Ny tononkalo tamin'ny nahafatesan'i Neny ihany no [u]mety[/u] tena nihatra taminy ny tononkalo nosoratan'i Pissoa.
Malalason ( 31/01/2008 08:26)
ok rehefa nodinihiko ny zava-bitany izany hoe ny kalo nosoratany dia hitako fa tsara na nihatra taminy na tsia M'lay e!
felandefona ( 01/03/2008 09:27)
milay be le izy tohizo fa tsara fa saingy ny indro kely fotsiny dia manindrona ny fonay efa voadona kanefa na dia izany tsara
pissoa ( 08/03/2008 20:16)
Hi hi - miala tsiny raha nahatsindrona e.

mankasitraka ny mpamaky.
pato ( 10/04/2008 14:11)
pissoa a milay loatra ny tononkalondry
litamour ( 10/12/2008 11:23)
tsy namitaka fa resy
resin'ady resim-piainana
resin-tahotra kanosa
ka mendrika anareo hifosa..
tsy nanilika fa niala
f'efa rotik'ireo bala
nandrovirovitr'itsy ainy
ka nanadao 'lay lalainy
sitrany ahay iny velona

tsy nanakapoka fa niajera
tsy nahatazona intsony
'lay sandrinao niantsoantso
sy itsy feo tsy nitony
lavon'ady migorera

mbola tia tena tia
saingy diso ka niala
manaiky hozonina latsaina
sady efa very no adala.

ny mpisongona mba iza?
'reo be vola
sy herisetra
nandrovitr'azy hatraiz'hatraiza
nandosirany sakaiza
nanafenany olon-tiana
nadao fianakaviana.

k'aza tsiny hono hoe...
f'izy rava
f'izy hoto
na izany aza
afa mitsiky mahalala
f'ianao any tsara ...
pissoa ( 02/01/2009 11:55)
Mankasitraka litamour ! Tiako be ilay izy. Androany vao hitako.
pissoa ( 16/03/2009 12:01)
http://vetso.serasera.org/?rub=vetso/vetso&vid=v48b53a94d196f
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0093