Hevitra momba ny Raha ...

Hiverina amin'ny Raha ...
nyeja ( 29/05/2005 07:05)
Mba miezaka aho mamaly ry pissoa satria dia mampalahelo be ilay tononkalonao , mahereza hatrany
NY Eja
(tononkalo nosoratan''Ny Eja ho setrin'ilay tononkalo "RAHA..."nosoratan'i Pissoa)

Raha tsapany tokoa
ilay fitia avy ao ampo
ilay fitia tsy vazivazy
notoloranao azy
dia nitia marina izy !....

fa matoa izy tsy nanoina
nohezahiny hohadinoina
ireo sentosentonao lalina
isan'atoandro isan'alina !

koa tiavo izy dia ialao
ankafizo dia fafao,
ireo teniny nambabo fo
avereno avokoa.
lalaovy koa ny fitiavany
ataovy sangy izay finiavany .

Ny Eja 28/05/2005




.

pissoa ( 29/05/2005 20:38)
Ny Eja ... ianao tena mahay ... Jalouse be aho. Ianao angaha nianatra nanoratra mihitsy sa ahoana no mahatonga anao raha vao manoratra dia tiako be foana!

tsy nosoratako ho ahy io tonokalo io fa mba manala azy ato an-trano ato aho. Mba miala amin'ny fanao isan'andro e!
bichette ( 30/05/2005 11:32)
tsara ilay tononkalonao pissoa a !
nyeja ( 31/05/2005 07:56)
aoka re ry pissoa fa mba nanala azy koa anie aho namaly an'io e , mba mety tokoa ve? teo no eo aho, avy namaky ilay tononkalo dia namaly avy hatrany e! tsapako mihitsy fa tsy ny fiainantsika mpanoratra avokoa no soratana ary tsara ho fantatry ny mpamaky tokoa izany fa ny toe javatra rehetra dia mety mahakasika fiainan'olona avokoa ka tsara foana ny iventesana azy sao mba manasitrana olona ny sangan'asantsika .
ny hoe nianatra dia tsy mbola misy fianarana manokana ny poesia eto amintsika noho izany dia tsy tany aho fa mba aingam-panahy fotsiny e
veloma indray ary e .ny eja
lapino ( 13/12/2005 11:28)
Odriiii zany solidarité féminine ato e! :-D

Fa tsara ilay tononkalo e :)
pissoa ( 16/12/2005 17:56)
andray, aiza ze solitarite eo? :-D

misaotra eh
lapino ( 22/01/2006 09:30)
solidarité/solitarité ! Hmmmm! Mahay mihitsy itony mpanoratra itony raha hilalao teny an!
raozigasy ( 28/07/2010 00:45)
Eny, ezahiko halalinina,
Ireo alahelo nofihinina
Eny ezahiko takarina,
Ireo verimberin-teny farina
Eny ezahiko hofakaina
Ireo vetsonao ry aina

Ao fa hiezaka aho hisaina
Ireo zavatra mandreraka aina
Ao fa hiezaka aho hahalala
Ireo harerahanao ry lala
Ao fa hiezaka aho hamototra
Ireo fihafiana mampifofotra

Mifona aho raha hadisoako
Ny tsy fahalalan’ny foko
Mifona aho raha toa ka otako
Ka ny disanao tsy hotakotako
Mifona aho raha toa ka tsiniko
Ka ny dinikao tsy diniko

Fa anio aho izao efa haiko
Ireo fihafianao ry aiko
Fa anio izao efa tsapako
Ireo fiaretana tan-dapako
Fa anio izao efa hitako
Ireo hetanao tsy vitako

Ka ho an’ny ampitsotsika
Aleo tontolo tsy hasiaka
No hiainantsika indray
Fa serasera hifandray
Ireo lasa diso ndao ovaina
Ireo fondro nisy hohatsaraina

Ka raiso re ny fiverenako
Ireo tsy vita nanenenako
Raiso re ireo fifonako
Ekeo koa ny fitonantonako
Ny alahelo andao fafaina
Ny fifandraisana hatsaraina

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1067