FANANTENANA (polygasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANANTENANA
Ny FANANTENANA dia afon’apombo,
Midonaka lava ao anatin’ny fo,
Raha tsofin’ny rivotra maika mitombo
Vao maika mitombo raha misy manjo.

Ny FANANTENANA dia lazaiko anao,
Fa mampiezaka hatrany amin-javatra atao
Tsy mamela antsika hijanona an-dalana,
Fa mirisika hatrany na dia tojo fiakarana.

Fa i FANANTENANA tsy mandeha irery
Fa misy Mpitarika tena Mahery,
Tsy mamela ny fiainana hangahiahy
Fa manolotra Finoana mivaivay.

Ny Finoana, FANANTENANA, Fitiavana
Anarana telo tsy azo sarahina,
Mampijoro mampisikina mandavan-taona
Na inona na inona, e! manoloana.

RFP 06/11/10
--------
Rohy:
1592 0
Hevitra mandeha
nnjaka ( 04/03/2011 11:58)
salama o!

i POLYGASY ve vahivavy sa lahilahy?

Misaotra mialoha @valiny mahafampo, i njaka aty Benosy ihany.





Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : polygasy
Nampiditra : polygasy
Daty : 28/02/2011 13:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143