fony fahizany! (R.D dujock)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fony aho mbola zaza mbola tsy nahay niteny
fony ireny andro ireny mbolo notrotron'i neny
tsy nahalala na nambara ny mety fahorian tany
fa niaina sy nitombo, hary saina hatrany hatrany

fony aho natsiaro tena efa nianatra nandeha
fony ireny andro ireny mbola tatanan ny lehibe
tsy nahafantatra akory izay mety ho fijaliana
fa nivelona nitsiky tao ananty hafaliana

ankehitriny aho lehibe; lasa manontany teny
aiza ireo rehetra nitarika ahy ombieny ombieny
fa toa izao rery sisa,no mamakivaky fiainana
miaraka amin ny hasosorana sentosento fitarainana
--------
Rohy:
839 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 13/10/2012 18:51)
Amiko,ny andron'ny fahakelezana, fahazazana dia natao hoe androm-pahasambarana ary koa fotoam-pianarana eo amin'ny fiainana, ary misy mitarika sy mampianatra izany, toa ny ray aman-dreny sy ny manodidina. Rehefa lehibe dia vita ny "apprentissage" fa anjaranao indray kosa no manatrika sy mitondra ny fiainanao fa tsy ho tatanana toy ny teo aloha akory. Misy marina ve ny voalazako sa ? .....
Zozoro ( 13/10/2012 18:53)

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.D dujock
Nampiditra : dujock
Daty : 08/10/2012 11:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738