Ampidiro aloha ny tenimiafina
Sopatra ny tany (R.V.K)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sopatra ny tany.
Mba sopatra loatra
Lahy ianao ry tany
Fa nahoana moa aho
No voatokana hijaly?
.
Ianao ange ry Dada
Na oviana na oviana
Marina fa tiako saingy,
Mbola hafa ny olon-tiana e
.
Ianao koa ry Neny
Raha nitia sy nana-namana
Ka nanam-paniriana
Moa ve mba nosakanana
.
Aiza ianao malala
No avalanao ho irery
Ity Malalanao
.
Ireny lasan-tsika
Niaraha-nisalahy
Toa manjary fahoriana
Mampahory ny fanahy
.
Izaho tavela irery
Fa ianao nandeha tsy niera
Mbola tia anie ny foko e...
Malala oh! Miverena
.
Tsy tantiko Malala
Ny eritreritro mankany
Ka aza omena tsiny
Raha toa aho mitomany
.
Indrindra moa rehefa
Eny an-dalana eny
Ilay mifankahita
Tsimaintsy hifanena
.
Ianao efa sambatra
Fa manan'olon-tiana
Fa ny ahy! Ny ranomaso
No indro,mijohy sy mikoriana
.
Fa sopatra ny tany
Dia aleoko mitomany
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Ravakiniaina.
