Hasakasak'areo (Ra-jouany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HASAKASAK'AREO

Hasakasak'areo 'zay nanjanaka
sy nambotry an'ity firenena
Ka nandany ny haren'ny taranaka
sy namono ny fahaleovan-tena

Mba ho zakanareo ve ny tsininy
R'ilay mpaka ny tsy nosasarany
Sa noheverinareo ho adinony
'Zay voarakitra ao @ tantarany?

Hasakasak'areo 'zay manaraka
sy manohy ny fanabotriana
ka mandany ny kely efa raraka
sy mandrava ny zo itoviana

Mbola ho avy ny todim-bahoaka
R'ilay mpioty ny tsy novoleny
ka ho adininy ataony ampamoaka
Reo mpigoka ny tsiron'ny hareny

Ra-jouany(jean bosco)
CRINFP moramanga
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
835 8
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-jouany
Nampiditra : vizir
Daty : 25/10/2016 07:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136