Mbola ho avy ilay maraina (RA.PAT.RI (Raharinaivo Patrick Rijaniaina))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho avy ilay maraina

Anaty aizina ve ny fiainanao ?
Toa tsisy mangirana izay atao ?
Mitrakà fa aza kivikivy izany
Ny Tompo mbola eo hanome fanantenana hatrany

Na manjombona aza ny andro
Tsy mety mihiratra ilay masoandro
Tsarovy fa mbola hiposaka io,
...Izay no tadidio

Mitady ho rendrika ilay sambo
Efa hilentika ilay masoandro
Nefa minoa sy matokia
Fa tsy maintsy hiarina io rahatrizay ka ho Doria

Ilay fahazavana nantenaina
Ilay masoandro nandrandraina
Manàna fanantenana,
Fa MBOLA HO AVY ILAY MARAINA

RA.PAT.RI (Raharinaivo Patrick Rijaniaina)
--------
Lien:
Catégorie : Fanantenana
824 1
Commentaires
Patrick.rijaniaina ( 21/01/2018 14:14)
Velomy hatrany ny fanantenana fa tsy maintsy hamiratra ny hoavinao
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RA.PAT.RI (Raharinaivo Patrick Rijaniaina)
Inséré par : Patrick.rijaniaina
Date : 21/01/2018 14:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133