Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mitsikia (Rado)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky toa masoandro vao maraina,Mahatsara fo sy mamelona aina.
No indro fa atolotro anao,
Sy hoan'izao rehetra izao.
Manala alahelo sy fanaintainana,
Mampangatsiatsiaka ny fiainana
Mampitombo ny hafaliana anaty.
Mandresy ny fijaliana tsy tanty.
Tsiky kely mitondra hafanana,
Fanafody izay tena igagana
Mifindra sy mitondra soa
Ny rehetra hitsiky avokoa.
Ny tsiky lehibe toa izany
No andrasako koa avy any
Hampivelatra indray ilay fitia.
Dia hoy aho hoe mitsikia
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
