Ilay voronkely feno ratra... - RAHARIJAONA Marie-Angèle
Henoy kely ange rey olona
Ny amin'izato zana-borona
'Zay mafy ady, zary sorona,
Mba te hioitra, te hitolona.
Tao ny kotro-baratra, ny tselatra,
Izy mbola tsy hary elatra
Ka tsy afaka nanavo-tena,
Niari-pery, nahonena.
Ny tafiotra koa namely,
Izy anefa mbola kely.
Ilay reny lasana niremby,
Tsy tafody koa fa jemby.
Ilay hazo nisy ilay akany
Nihovitrovitra aok'izany,
Voatolaka atsy sy aroa
Ka mila tsy ahajoro koa.
Tao ny fofofofon-drivotra ;
Ilay voronkely ambivitra
Aina, injao nikiaka, nitaraina,
Efa tena savolaina.
Ny voahary manontolo
Toa nihetraketraka daholo
Tsy mba nisy iray niantra
Fahoriana tsy omby tratra.
'Njao nitombo ny toreo.
'Lay akany koa jereo
Voakipilin'ny tafiotra.
'Lay zana-borona nitsitra.
Hono ry volana aman-kintana,
Izany ve no hoe ratsy vintana ?
Maty irery sy nahantra
Ilay voronkely feno ratra...
Mombamomba
Mpanoratra : RAHARIJAONA Marie-Angèle
Nampiditra : VetsoDaty : 24/12/2003
Mpamangy : 2710
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Irony dinitry ny lasaSoa fa nisy irony kintana ! (ho fahatsiarovana ireo maherifo nanafaka an'i Paris)