You are here: home > Vetso

Raosy jamba - RAJAOBELISON Samüel

"Raosy jamba e ! Raosy jamba !
Avia manatona, fantaro, zahao !
Raosy jamba e ! Raosy jamba !
Raha mahatazana anay ianao".

Ndreo mifamory ny ankizin'ny tanàna,
Manao faribolana akaikin'ny vala
Mifandrairay izy velon-koràna,
Feno hafaliana tsy manan-tsahala

I Mavo no lany ho Raosy jamba,
Ka eo afovoany izy no mijaridina ;
Ny maso amin'izay tampenana lamba
Fandrao mahatazana ireo manodidina.

Miredona mafy tsy mihambahamba
Ry Zafy, ry Fara, ry Zay, ry Filao :
" Raosy jamba e ! Raosy jamba !
Sao mahafantatra anay ianao ?"

Samy mijoro sy miandry daholo,
Gina tsy nisy niteny tery;
"Iza ary ity misaritaka volo ?
Iza ary ity petaka orona ity ?"

Tsy fantatr'i Mavo ka lasa io nifindra,
Nisafosafo endrika be mifangaro :
Ingita, i Lesoka sy i Sarindra,
Ry Toandro, ry Koto, ry Naivo ry Maro.

"Naivo, r'ireto a, ity anoloako,
Fantatro tamin'ny volony lahy !
Nohetezan'i dada izy tsarotsaroako.
_ Raiso ny lamba, soloy aho, rangahy" (...)

Raosy jamba e ! Raosy jamba !
Ny manarangarana tsy ekenay…
Nahita ary ve hodimbiasako lamba ?
Iza ary aho, ary iza izahay ?

Samuel Rajaobelison
(Fehezam-bary gasy II tak, 12)

Mombamomba

Mpanoratra : RAJAOBELISON Samüel


Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019
Mpamangy : 363
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RESAKY NY FOKO
Ny fon'ny poety
DADA