Kolokoloy (Rajaona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOLOKOLOY

Sangan'asan-Janahary
Kanto indrindra, hatrizao
Miavaka raha samy voary
Tsy lazaiko, fantatrao

Mahantanty dona tsara
Mahasedra zava-maro
Tsy dia mila karakara
Hoy ny hevitry ny maro

Ka totofana asa maro
Semporina karazan-tsetroka
Mamoina toaka mifangaro
Raha reraka, omena betroka...

(Tsy ho ary tanisaiko
Na dia tsy dia maro loatra
F'atao hoe hainao sy haiko
Sao dia misy misafoaka)

Nefa zava-manan'aina
Manan-tsento sy taraina
Dia terena sy ambakaina
Hahazoana izay ilaina!

Mba tsinjovy tsara ihany
Amin'izay rehetra atao
Ny mety ho fiantraik'izany
Amin'ny vatatenanao

Fa raha io no tsy tomombana
Ny fiainanao no hitotongana
'reo nofinofinao ho fongana
Io toeranao io aza hiongana

Hiainanao 'zany hoe voaozona
Hidify ianao tsy ho voahazona
Hitsipaka, hiotam-bozona
Ambany rangolahy, ho razana

Fa raha io no ratsy kara
Dia ireo dimbinao sy fara
No hitsilopy tsy ho tsara
Ratsy lova, ratsy anjara

...Ka izao no tiako hambara:
Dieny mbola tsy dia tara 
Avelao re izay voarara
Sao any am-pasana no hiafara!

Rajaona
28 oktobra 2014
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
985 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rajaona
Nampiditra : jdd.rakotozafy
Daty : 28/10/2014 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094