Voninkazoko (Rajery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazoko:

Voninkazo hafa loatra ,renty tena hafa kely ,
Nanaitaitra vao maraina, sy nisintona eritreritra;
Ny felany malefadefaka,tsy ngeda bé na tena kely;
Fa ilay itiavako azy tsara , ity voary hafa loatra .

Satriko aza mantsy letsy ,nandinika azy teo foana,
Fa tsy aritro intsony ,fa natoniko mihitsy,
Nolazaiko azy avy hatrany, ny tao am-po , mba tsy hivoana
Efa voavolan-tsaiko,nandaniako ny fotoana;

Izy ilay voafinidy, tamin-mboninkazo maro,
Teo ny dalia, ny lisy, sary loko mifangaro,
Hafa ihany , tena hafa fa mitondra fifaliana
Ilay vonikazo hafa loatra ,ny anarany: Haingotiana

……..tsy fahita anjaridaina!!!

RAJERY
--------
Rohy:
949 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rajery
Nampiditra : rajery10
Daty : 12/03/2012 15:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493