Skoto indray andro, Skoto mandrakizay (Rakotobe Sombiniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Skoto indray andro, Skoto mandrakizay


Tsy toy izao aho raha tsy nandalo Skoto
Nampianatra sy namolavola ahy ho mpankato sy mazoto
Tokanteny ary tsy miovaova izay nifanekena
Manaja olona satria izany no tena fahendrena

Vonona sy hanasoa ireo namana
Satria izany no maha havan'ny olona rehetra anay
Lasa nahay sy nisedra ny adim-piainana mivatravatra
Sady mihira sy mitsiky raha sedra ny sarotra

Izahay Skoto dia tsy iza fa miaramila sy vavolombelon'i Tompo Jesoa
Vonona hatrany hanantanteraka ny asany sady hanao ny soa tokoa
Mbola maro anefa ireo mbola hosedraina fa fantatray
Ka noho izany Skoto indray andro, Skoto mandrakizay izahay.

Sombiniaina RKT
16/04/2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
59 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotobe Sombiniaina
Nampiditra : rakotobesombiniaina
Daty : 16/04/2024 08:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145