You are here: home > Vetso

Teny roa - Rakotomalala Eric

Azo vakiana?

Teny roa dia efa ampy

Ilazako ny ato anaty ;

Teny roa no vatolampy,

Tsy voazera mandramaty.

Teny roa efa afaka

Manambara ny ato am-poko ;

Teny roa tena miavaka,

Mbola meva sy miloko.

Ny voalohany dia ny "tiako",

Ny faharoa dia ny hoe :"ianao" ;

Ka ny hany mbola iriko

Ny fitambarany eto izao.

Mba tia anao ny tena

Ka tsy mahafoy hatrany ;

Ianao no mbola harena,

Tsy voasoloko eto an-tany;

Teny roa...Tsy mihoatra !

No mbola sarotra kosehina ;

Teny roa no mamy loatra,

Tsy hay akoro na potehina.

      Tiako ianao !

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

tslem (10/08/2007 13:16:50)

Fa iray ihany angaha Fredy Rajaofera sy Eric Rakotomalala? raha tsy diso aho mantsy an'i Fredy izy ity.
Fa tononkalo tsara loatra aloha ilay izy e.

3004 (10/08/2007 18:56:15)

Fredy Jaofera no anarako fa tsy Fredy Rajaofera. Fredy Rajaofera dia raibeko.
Misaotra anao raha tianao ny tononkaloko.
Tsidiho : http://fr.blog.360.yahoo.com/blog-OoaByxo3aaOGP9ae3HeYQEmHTCFT

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rakotomalala Eric

Nampiditra : Fiffi
Daty : 09/08/2007
Mpamangy : 1298
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

erreur de manipulation azafady