Vetson'ny manina (Rakotomalala-Rabarijaona Louis)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eritreritra miampita no manainga ny vinany
Mba hanembona mazàna'lay akany nisehoana,
Ka ny foko manina azy dia misentosento foana,
Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany.

Eritreritra miampita no manintona ny foko
Ho eo an-dapan-drotsirotsy fitobian'ny hava-maro;
Dia mandefa vetsovetso'zany saina mahatsiaro,
Lavitra azy ka voarakotry ny sento sy toloko.

Eritreritra miampita ho ao an-tanin-dray sy reny
No manetsika ny saiko mba hisidina mankany,
Ka ny sorisory lava'zay namelona tomany
Toa hisolo fifaliana hoy ny nofinofiko eny.

Eritreritra miampita no miserana mandalo
Toy ny rivotra mahery'zay misafo ny tanety,
Ka tsy hay arahi-maso fa mimaona vetivety
Mba hamangy'lay akany'zay tsy foiko hatakalo.

Eritreritra miampita'zay tsy sitram-panafody
No mibitsika mangina sy tsy levona ao an-tsaiko,
Ka na zovy hampitony dia tsy mety miandry baiko
'Zany vetsom-poko'zany f'efa mamy'zao ny mody.

Eritreritra miampita toa hamafa ranomaso
No manafotra hatrany'zany foko tsy tamana,
Te-hahita'lay akanin-dray sy reny fihantana,
Fa voairaky ny vintana sy zara be ankaso.

Eritreritra miampita ho any ambadiky ny bonga
No mamaky habakabaka ao an'efitra mangina;
Nofy ihany nefa izany ka ho foana sy ho sina,
Na dia velom-paniriana sy mirary ny ho tonga.
--------
Rohy:
595 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Nampiditra : hery
Daty : 10/06/2020 20:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136