Hevitra momba ny Ianao no fanafodiko

Hiverina amin'ny Ianao no fanafodiko
NyKanto ( 23/10/2004 14:19)
Aza dia manao sarotin'alahelo ka tia tsidi-pasana...
Tsy tsara ve ny mahalala fa tsy tia anao izy mba ahafahanao mamoy azy mora kokoa raha toa ka efa mba niala nenina ihany ianao.
Ny Kanto
nyeja ( 24/10/2004 06:24)
Malalason a voalohany aloha dia mamela ahy ianao hiteny hoe tsara ilay tononkalo, tsara ary raha naoty no omena dia tsy ampy ny isa 5 ilazako fa nahafa-po ahy ny sanganasa toy itony,
Fa mamela ahy koa ianao, hilaza fa mampalahelo be ahy ity tononkalo ity, eny , mety misy ny fisarahana izay tsy maintsy fantarin'ny mpifankatia rehetra nefa, tokony ho hainy koa ny hitandro ny fitiavana raha tsy te ho tody amin'izany, fa tsy vahaolana amiko ny fasana. Ny tsy ho tia olona hafa koa mbola hoeritreretina satria hono ny fotoana mahavita zavatra betsaka.
izay no azon'ny namanao ambara e ka dia mahereza hatrany
NY Eja namanao.

andriary ( 25/10/2004 11:14)
mangataka tohin'ny tantara ity tonokalonao ity ry malalason ka mba azonao aseho eto an-tonokalo koa ve ny navalin'i hary na ny tohin'ny tantara!Sa aingam-panahy fotsy sa tantara tena nisy?misaotra e!!!tsara
Malalason ( 25/10/2004 13:06)
Ny tantara dia tena nisy fa ny valiny mbola andrasana kely maharetakely ry namako R. JO
bichette ( 26/10/2004 16:04)
malalason ? tsy arako intsony ny tantaranao !
yonikafopl ( 07/11/2004 22:01)
tena nahafinaritra ary nampientana ny fo , fa misaotra anao, aza kivy ary aza mamoy fo fa fiainana izany.
Miarantsoa ( 08/12/2004 17:31)
tandremo ry Malalason ah : tsy tantiko mihintsy ny mahita teny malagasy disoina tsipelina : fiarahantsika fa tsy " fiarahan- tsika" Ankoatra izay dia .... Milay e !
Miarantsoa
lindaglacier ( 09/12/2004 09:08)
atao ahoana fa rehefa tena latsaka ao am-ponao ny fitia ka mahafoy anao ilay niantefany dia tsy omeko tsiny ianao raha nahavita niteny hoe : hiandry ahy ny fasana na izany aza mahereza ny fiainana fiatrika
mahafinaritra ny aingam-panahinao fa tohizo.
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0092