You are here: home > Vetso

Jamba mahiratra - Rakotomanga Hery Laza

Azo vakiana?

Very namana aho raolona
matimatin-tambitamby
ka tsy afaka misaina intsony
ny ataoko sy ny marina.

Iza re no tsy hahita
na takomana ,na hafenina
fotoana sisa no handrasana
tsy hoela dia hivaoka ity zavatra nafenina.

Loza iray, lozako
maso be tsy mahita
na mety na tsy mety ,ataoko ataoko ;ataoko ihany
izaho aloha vao izy.

Mitsetra anao aho ry olona
hatraiza re no fetra ,tsy hahafataranao
izay mety sy tsy mety
ny soa sa ny mahafinaritra?

Mombamomba

Mpanoratra : Rakotomanga Hery Laza

Nampiditra : you
Daty : 03/02/2005
Mpamangy : 1425
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fitiavana
Lazalazao