I...??? (Ramahatehotia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mpihira aho
Dia efa azoko antoka
Ho ny anaranao … no lohateni-kirako

Raha mpanao politika
Dia izay antoko misy ny anaranao
… no ankolafy idirako

Raha mpijery baolina aho
Dia izay tarika
Misy mira anarana aminao
… no tsy maintsy hoe nalaiko

Raha miteraka aho
Sady ianao no reniny
Asiko anaranao … ny an’ny Sombinaiko

Raha boky moa ny foko
Dia ny anaranao …no hameno ny takila

ka rehefa mba antsoiko
maitia moa rahavako fa aza mampifila
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramahatehotia
Nampiditra : Ramahatehotia
Daty : 28/11/2014 13:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143