Ny tsiky (Ramakavelo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsiky mitory hafaliana
Fahatsoram-po, fahasahiana
Fahavononana mba hanome
Ny zava-tsara ao am-ponao re.

Ny tsiky mampisokatra ny saina
Ny tsiky mampisava ny taraina
Ny tsiky mampandroso ny mihaotra
Ny tsiky mampadositra ny tahotra.

Ny tsiky mampahazo izany toky
Na zandry ianao na zoky
Ny tsiky mandrindra fihavanana
Ny tsiky mampifandray tànana.

Ny tsiky fanafody tsy mba lafo
Fisedrana mahamay toy ny afo.
Ny tsiky mampilofika ny tezitra
Fanoitra tsara, tena hevitra.

Ny tsiky dia tsy mba azo ariana
Raha lamba , dia hoe tafiana
Raha seza dia hoe nipetrahana
Satria manamafy, mitam-pihavanana

Mba omeo tsiky ireo manodidina
Mba ho faly fa tsy ho kizitina.
Fanefitra tsara tokoa re ny tsiky
Fanorenana tsara, anjara biriky.

( faha -15 aogositra 1989 )
in Mba saino ange, boky 1
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
3103 1
Hevitra mandeha
Oully ( 19/05/2004 17:38)
Tsiky dia ampy !!!
rapisoukely ( 24/06/2005 03:46)
Tsiky dia ampy marina
lianah ( 01/09/2005 10:15)
sarobidy nefa tsy lafo ka zarazarao samy hanana e.Tsy atao tsikn'ny mpivarotra anefa an.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramakavelo
Nampiditra : booboo
Daty : 19/05/2004 13:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094