NISY FETY TANY AN-DANITRA (Ramhors)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy fety tany an-danitra!

Indray andro tao an-danitra tao
Nisy fety lehibe izay niaraha-nanao
Natao hitokanana ny tempoly
Ka olona maro no tonga nivory

Raha mbola tsy naraina akory ny andro
Dia indro efa lasa nifoha ny mpahandro
Nandrehitra afo nanasa vilany
Satria tena fety tsy misy hoatra an’izany

I Piera sy Paoly no mpandray vahiny
Ka samy nitazana izay nihaviany
Nierika I Piera ka indro eny ho eny
Fa tamy sahady ny Arkanjely

Masindahy Joseha nampian’I Joany
Nanasa vilia sy nampirim-bilany
Tena sahirana ny anao lahy
Satria izy irery moa no vinatolahy

I Marka kely mpiasan’ny Tompo
Izy no voatendry hahandro ny mofo
Nivaramena sy nitamenamenaka
Ka niantso mpanampy fa kilan’ny menaka

Nony tonga ny fotoana hiaraha-misakafo
Dia indro Josefa nandray maritrafo
Ka ranga ny mason’ireo zay nasaina
Satria tonga roso amin’ny varimaina

Tsy nisy lasopy na hoe entrée
Fa avy dia kapoka indray mandeha
Nihezaka mihitsy tsy handany fotoana
Ka samy nameno ny kibo ‘zay noana

Ry ‘ngahy Jodasy etsy andanin’izany
Tsy mitsahatra mihitsy mangarom-bilany
Laoka mba navela ho an-dry Maria
Lanin’ny ledala tsy nisy nitsihy

Hakon’ny hehy ary Masina Maria
Fa ny solonifin’ny Jodasy nipitika tery
Noheverin’ny Marta ho taolam-pifika
Ka dia natsipiny hohanin’ny alika

Avy eo ngahy Jodasy nisitaka kely
Nanao azafady fa hoe voan’ny sery
Dia nitomany tsy nisy nahalala
Naninona hono? Hay kenda nedala

Dia nihinana teo ka nihinana teo
Maro no voky ary tao koa ny leo
Ny ambin-tsakafo rehetra tsy lany?
Nafafy any ivelany halefa eto an-tany

Tao aorian’ny sakafo aninona indray?
Naka partenaire ny tsirairay
Mba noentin’i Joany ary Masina Maria
Ka tezitra I Josefa ary tsy mba nandihy

Ny partenaire-n’ny Paoly amin’izany
Naheno fofona malanilany
Tsy naharitra mihitsy ry-ngahy salomona
Dia nanontany : “f’angaha Paoly maimbo From?

I Masina atao hoe Magdala
Anisan'ireo izay nanao lambada
Lazain’ny Jakoba fa mamoafady
Ka maro no tezitra saika niady

Masindahy Davida sy Zakaria
Ireo no nitokona tsy mba nandihy
Ny iray moa antitra sy efa manjoko
I davida kosa voan’ny kitrotro

I Bernadette tsy nisy mpitondra
Ka dia niala vokona tamin’ny amponga
Zake amin’io saika mba hanararaotra
Ny dihy anefa tsy hainy izy koa fohy loatra

Dia niditra an-tsehatra indray I Jesoa
Ka samy talanjona gaga avokoa
Noheverin’ny sasany hanao lambada
Hay nanao tsisy taolana ny anao lahy

I Bernadette mba saika hijery
Kanefa ny amponga tsy nisy mpively
Tezitra mafy ary saika tomany
Ka saika voavely hatramin’ny lohan-dry Joany

Ry Beljaboba sy ny fianakaviany
Tsy nahazo fanasana ka nanome tsiny
Tezitra mafy amin’I Jesoa Mpamonjy
Ka saika hangataka hanao totohondry

Nandritra ny fety zay niaraha-mikorana
Dia feno horakoraka tao an-tanana
Tena lanonana izy ity ry zareo
Ka maro dia maro ny zava-niseho

Nony tonga ny farany dia indro Andriamanitra
Nandray fitenena sy zava-manitra
Satria izay nataony dia tsara sy nety
Ka dia nofaranany teo koa ny fety


Rakotoarimanana Jean-Maurice (RjM) (Ramhors)
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
4184 3
Hevitra mandeha
zakilinina ( 03/10/2005 17:14)
Mba fintimpitino re ry Ramhors fa mampamonamonaina ê !
ramhors ( 04/10/2005 04:01)
zakilinina> ka io mihitsy ilay zava-nisy leitsy a! raha fitinina mety tsy ho voalaza tanteraka
ontsy ( 03/11/2008 10:54)
merci e
tsy manimbazimba io
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramhors
Nampiditra : ramhors
Daty : 01/10/2005 02:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096