Hevitra momba ny Ry alina
Hiverina amin'ny Ry alina
andriary (
23/03/2005 14:21)
Alina mihira
mitondra ritsoka sy kalo!
Dia iny ny eritreritra
te-hiantso tonokalo
hotononinao mangina
araham-tsento lalina
mitsiahy ny andro lasa
sy ny ho avy arahin-kinasa
Satry tsy ho avy
Ny maraina hiverin-dalana
Raha ny feo'ny alina
no mitondra nofy lalina
mitondra ritsoka sy kalo!
Dia iny ny eritreritra
te-hiantso tonokalo
hotononinao mangina
araham-tsento lalina
mitsiahy ny andro lasa
sy ny ho avy arahin-kinasa
Satry tsy ho avy
Ny maraina hiverin-dalana
Raha ny feo'ny alina
no mitondra nofy lalina
