Gasy hono ...! (Ranaivoson Jean de Dieu Onjaheriniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy hono ireo mba miteny diso
Nefa toa tsy mahay manavaka ny havia sy ny havanana
Tsy mahay manoratra ny hoe ampitso
Nefa miedinedina hoe Malagasy mangarahara

Eny an-dalambe ireo milaza ho Malagasy
Dia hita fa mampalahelo, toa mangasihasy
Satria tenin'olona no mba hay
Tsy Antandroy na Betsileo
No eo am-bavan'izy ireo
Fa hay teny vahiny , teny frantsay
Tsy hay intsony izay lazainy
Fa toa vary feno vato
Mirararara ery izy @'izay
Nef'ireo 'zay mandre
Manampin-tsofina
Te hiala lavitra
Fa mahasorena hono !
Ireo dia milaza hoe gasy hono
Gasy hoe e ! nefa toa tsy liam-pihavanana ?
Toa tsy mba mifanoro?
Toa tsy gasy , nefa tena gasy hono
...................
--------
Rohy:
2748 2
Mpakafy: masoandroko - Arimalala
Hevitra mandeha
admin ( 27/10/2004 10:25)
Lasa poeta tampoka mihitsy :-)
ainakelyio ( 03/11/2004 09:23)
Misy tsipelina diso eo @'ilay hoe "Tsy mahay manaratra...", "Tsy mahay manoratra ..." no izy azafady
ikalamako ( 30/03/2019 14:15)
azafady fa nahitsiko ihany koa ny voambolana vitsivitsy (miedinedina fa tsy miedonedona, mangarahara fa tsy mangaraharana) sy ireo tsipelina sy ireo tsipi-panohizana diso toerana. Amin'izay mba isika aloha no fitaratra vao mamely ny hafa.
ainakelyio ( 09/03/2020 11:57)
Miarahaban mankasitraka antsika nanoro sy nanitsy!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranaivoson Jean de Dieu Onjaheriniaina
Nampiditra : ainakelyio
Daty : 27/10/2004 09:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131