REHEFA AFAKA DIA AFAKA (RANDIMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
01– Rehefa afaka dia afaka
n’iza n’iza no hanakana.
Rehefa afaka dia afaka
Fitahiana fafy katrana.

02 - Rehefa afaka dia afaka
Ny ranomasina aza resy.
Rehefa afaka dia afaka
Niampita teo ry ingahy Mosesy.

03– Rehefa afaka dia afaka
n’iza n’iza no hanenjika.
Rehefa afaka dia afaka
Izay tahiana tsy mba rendrika

04– Rehefa afaka dia afaka
Ny andry rahona mitarika
Rehefa afaka dia afaka
Ny andry afo koa no marika.

05– Rehefa afaka dia afaka
Ka ndeha hidera sy hihira
Rehefa afaka dia afaka
Tandremo ny maniratsira.

06– Rehefa afaka dia afaka
Izay Edoma ho tora-kovitra.
Rehefa afaka dia afaka
Ireo Moaba tsy ahatohitra.

07– Rehefa afaka dia afaka
Na mangidy aza no sotroina
Rehefa afaka dia afaka
Ho mamy izay fa soloina

08– Rehefa afaka dia afaka
Hasehon’Andriamanitra ny heriny.
Rehefa afaka dia afaka
Izay nomeny tsy haveriny.

09– Rehefa afaka dia afaka
Na noana aza dia fahanany.
Rehefa afaka dia afaka
Hiantohany ny manany.

10– Rehefa afaka dia afaka
Ireo zay manoa ny lalàny.
Rehefa afaka dia afaka
Voaaro noho ny fahefàny.

11– Rehefa afaka dia afaka
Tsy ho toy ireo Egyptianina.
Rehefa afaka dia afaka
Tsy ho sahirana amin-kanina.

12– Rehefa afaka dia afaka
Aza maniry hiverin-dalana.
Rehefa afaka dia afaka
Sedra koa ny fahafahana.

13- Rehefa afaka dia afaka
Nefa tsy ho gaboraraka.
Rehefa afaka dia afaka
Ny lalàna lovan-taranaka.

14– Ny olona afaka misaotra
Manaja, miondrika, mitsaoka.
Ny olona afaka someby
Veloma hatreo ny tebiteby.

15– Ny olona afaka dia vonona
Handroso foana tsy mijanona.
Ny olona afaka tsy miemotra
Satria ny Tompo tsy matahotra.

16– Ny olona afaka hanankinana
Ireo lalàna ho fitsimbinana.
Ny olona afaka tandremana
Mba ho handry fahalemana.

17 - Ny olona afaka tsy mihazona
Ny fitahiana ho voaozona.
Ny olona afaka miverina
Dia Andriamanitra no toeriny.

18 - Ny olona afaka mahatoky
Dia tsy mety ho voasoloky.
Fa manana an’Andriamanitra
Tokin’ainy izay maharitra.
--------
Rohy:
1022 2
Mpakafy: maksMA - DDDDDDD
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDIMBY
Nampiditra : DDDDDDD
Daty : 07/11/2016 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141