RAHA FANTATRO (Randriamiarisoa Ny Aina Andrianantenaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fantatro mantsy fa nodoranao daholo irony sora-tanako ;
Taratasin-drediredy ary koa mibahan-toerana no simba sady may ;
Tsy tiana hotsarovana ny ela niarahana, tao anatin’ny fitiavako !
Dia naleoko koa tsy nisy ny tananao sy ny ahy, izay zatra nifandray.

Raha fantatro ny anton’ireo maso te hangarika isaky ny mifanojo ;
Tsapako fa niova ary tsy mahazo aina ilay tsikim-pahatsorana …
Satrinao tokoa ny hamatotra ny tanako ka handeha hitady rojo !
Dia tsy nanoratra aho fa nataoko koa ho very ny efa niombonana.

Raha fantatro ny dikan’ireny fahanginana sy ny gidra aty aoriana ;
Ary tononkalo maro no indro nampitresaka ny fo tsy te handefitra ;
Nanaparanao ny hery izay vetso nahakasika ireo fifamaliana …
Dia notanako an-tsaina … Ireny fahitako ny momba anao rehetra.

Raha fantatro !... Raha fantatro mialoha izany toetranao izany ?
Ary tara loatra koa ny ala-nenina rehetra fa maika ianao hiteny !
Avy nisafoaka sy nandrava asa soratra ary nanambanimbany …
Dia nihazakazaka aho ka niangavy taminao ny hamerina azy ireny.

Raha fantatro mialoha ny ao am-ponao ao dia tsahivo anefa izao :
Mba te ho ampoky ny soa ilay fiarahantsika kanefa ianao manjera :
Ireo fitia nomena tsiny fa mbola manan-dresaka … Izay tsy sitrakao ?
Dia tsy nisy ny nandoro sy nanimba irony vita tao anaty fatapera.

Raha fantatro fa setrin’ny fitiavana marefo no mbola hifanary …
Ka hifamoy isika noho ny teny maro sy ny donan’ny fiatraikany !
Ny asa soratra tsy ratsy ary mbola adinonao fa mamy anie ny fary …
Dia tsy mety ny hanapaka, tsy mety hisotro ka hitelina ny faikany.

Saingy, … Tsy fantatro !... Tsy fantatro ! … Tsy fantatro !...

I Ny Aina
Akany Fitsirintsoa,
Vontovorona, 05 jolay 2024
Tamin’ny 11 ora maraina
Boky tononkalo : AVIA HIKOPAKA AFO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
124 0
Hevitra mandeha
I Ny Aina(Randriamiarisoa Ny A ( 27/08/2024 13:06)
tononkalo niantsan'i Nanja RAZAFINDRAKOTO tao amin'ny radio ACEEM, fandaharana KORIRAKANTON'NY HAISORATRA .
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randriamiarisoa Ny Aina Andrianantenaina
Nampiditra : I Ny Aina(Randriamiarisoa Ny A
Daty : 27/08/2024 13:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0476