vorivorin-tsaina (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vorivorin-tsaina

Ianao angaha ilay tinendry mba hiaina
Ny lalan-kafa izay natokana hijorany
No sahy mamelombelona an-taraina
Ny fanaratsiana maro ireo mba soany

Ianao angaha natokana hahafantatra
Ny ambadiky ny sombisombim-piainany
no sahy mitsara ka mankahala fatratra
Ny kitay misolo toetra izay fidainany.

Ianao angaha no singa mamelona azy iny
Sa voafidy ho mpamaritra ny aminy
No dia faritanao hatramin'ny olona mba tiany
Ka noferanao an-tsoratra ny maminy.

Eny, ianao ilay namany mba tiany
Namolavola an-kaizina ny ho aviny
Tsarovy anefa fa sakaiza ianao fahiny
Manko ny fisainanao no tonga tena rafiny.

Tsy fantatrao ny ampitso
... Ka fero izay lazaina
Tsy fantatrao izay diso
... Ry marivorivo saina.

Inoako marimarina fa hiavaka ny anay
Satria ombain-Janahary amin'ireo karazan-tody
Ka vonona hizaka ny eso omban-kibay
Fa ianao jinerinay any amin'ny varo tsy mifody.

Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
773 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136