Ny ombin-tsarety sy ny olona (Ranirina Joséphine)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMBIN-TSARETY

Aoka aloha re Tompoko, mba haka aina kely,
Ny entana manindry tsy hita velively,
Tsy araky ny aina fa tsy hoe hakamoana,
Ny vozona marary, ny kibo tena noana

OLONA

Efa omby tsy manjary ilay baka ratsy ity,
Izay entan-kely io no mba entina ka mi...
Tadiavin’ialahy ho very foana angaha
Ny vilona omaly nalaina tany an-tsaha...?

OMBIN-TSARETY

Tadidiko iny Tompoko na dia tsy betsaka aza,
Ny voky kosa anefa tsy haiko ny milaza,
Satria izahay roalahy no niaraka namely
Ka izay anjaran-drery tsy ampy velively,
Ny alina aza mantsy ka saika tsy maraina,
Nihempahempa ery fa reraka ny aina.
Androany izao dia vao mangiran-dratsy
No niala an-tanàna, kanefa izay mba vatsy:
Mololo kely foana, mafika sady maina
Ny andro ‘nefa ity mangotraka migaina

OLONA

Ny hakamoan’ialahy ka « reraka aho reraka »
Lemanja ‘nefa iry mihoitra sy manezaka
Mibaribary izao fa ialahy no tena kary,
Mianatra mamaly sy manabe kabary.

OMBIN-TSARETY

Raha ny hamaly anao dia sanatria izany
Satria ny aiko mantsy dia mbola tiako ihany,
Lemanja io anie ka torovana tokoa
Saingy tsy sahy mamoaka ny ao am-pony;
Matahotra izy mantsy fa sao miampy indray
Ny fanapahan-drambo sy kapoka mavay.

OLONA

Mameleza mafy raha tsy mamaly ary
Fa sao ialahy mahazo ny tena maharary;
Isan’andro izao na voky ialahy na noana
Dia tsy manan-tsaina afa-tsy mitokom-poana

OMBIN-TSARETY

Tsy fidiny mihitsy ny hoe mba hitokona
Fa ny aina manontolo no efa tena ankona;
Manezaka kanefa izao no fara-hery,
Ny rariny sisa andrasana hijery

OLONA

Raha ny rariny leity no tian’ialahy lazaina
Dia tokana ihany : miasà tsy malaina,
Tsy mamono antoka ny olona tompoina
Sy tsy mamalivaly rehefa mba baikona
Miezaka malady sy mba mivikiviky :
Izay no tena rariny fa... « adiroaty tiky ».

OMBIN-TSARETY

Izany rehetra izany dia arakay daholo
Feonao fotsiny aza dia mampitsangam-bolo
Ny fatiantokao dia tsy misy akory re
Ny tombom-barotra aza no manana amby be
Satria raha mahazo ariary roa izahay
Dia zara raha voatsipy mololon-dasiray.

OLONA

Mihevitra an’ialahy ho inona ialahy ?
No mba miana-kendry sy efa miha-sahy
Tsarovy tsara anie fa volako no niala
Nividianako an’ialahy fony mbola ankoala;
Tsy moramora koa ny namolaka an’ialahy
Impiry akory ialahy no nitady hanoto ahy ?

OMBIN-TSARETY

Tsy laviko tokoa raha ny zavatra fahiny,
Kanefa tamin’izany nataoko fa tsy tsiny
Satria mantsy mafy ilay tena fahafahana,
Ka nikarokaroka izay làlan-kitsoahana,
Nefa tsy nahita ka fara-hery nety
Hivesatra ny zioga, hitarika sarety.

OLONA

Tena hitako izao fa mendrika an’ialahy
Ny hamidy indray amin’olona mpamahy,
Ts’izy intsony mantsy ka tokony ho hena
Tetehina rasaina, amidy eny an-tsena.

OMBIN-TSARETY

Efa resy mantsy ka dia miomana hijaly
Mangotsoka any foana tsy afaka mamaly;
Nony mitaraina fa misy mba tsy toha,
Lazaina ho maditra sy efa mafy loha
Ny rariny anefa dia ela aoka izany
Ka ny aina kely ity ho ritra ambony ihany.


Joséphine RANIRINA
--------
Rohy:
15669 19
Hevitra mandeha
ketta ( 13/10/2010 08:43)
Saingy indrisy fa io fombana mpanjanaka io dia mbola hiainantsika Malagasy hatram'zao
rakotobriac ( 04/11/2016 17:05)
Salama e!
Izay tao amin'ny maria manjaka talatmaty fianarantsoa ka nianatra tamin'ny Mr Pascal tamin'ny classe de 8 eme 1992 tany hoany dia mahatadidy an'io daholo.
tsaroako tsara fa izay mahay dia manao"olona" ka mikaravasy ny tsy mahay manao "omby" (tena mandadt an!)sady mamaky kahie.
Any ianao zay Mr Pascal, ny zanaka ndray ty ary no efa haka bacc.
roland1 ( 18/02/2017 11:47)
Latsa-dranomaso mihintsy aho tamin'ny namaky azy ity voalohany. Kilasy faha-6 tamin'ny taona 1996. Mahaontsa. Mba toy ny ahoana re ny tontolo niainan'ny mpanoratra ka nahatonga ny aingam-panahy t@zany e?
rafenomanantsoasantatra ( 07/09/2017 11:30)
hatramin'izay ka hatramin'izao dia mbola misy izany,kanto loatra le asa soratra
hery ( 13/08/2019 17:46)
Tadidiko tsara ity tononkalo ity fa ilay mpanoratra no tsy tadidiko.
viky20 ( 01/07/2020 03:04)
Asa soratra feno fandihana sy fahalalinana. Manontany tena aho hoe mbola hianaran ny ankizy ankehitrio ve izy io ?
Rakotomahenina ( 21/06/2021 18:42)
Resaka mpanjanaka sy zanatany io tamin'izany andro izany! Fa mbola misy mitovy endrika amin'io koa ny sasany amin'ny mpiasa sy mpampiasa! Na ilay any an-trano io na any amin'ny orinasa, indrindra fa ireo tantanan'ny vahiny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranirina Joséphine
Nampiditra : ranto2009
Daty : 09/06/2010 07:24
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133