Aza avela (Ranjiva Rakoto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza avela ho rendrika,ity sambotsika;
'ndeha toero ny mpanenjika,
aza mety mangatsika.
Aza avela ahakasika,
ireo izay fakam-panahy;
'ndeha hamafiso re ny tafika,
mandrosoa aza manahy.
Aza avela manambany,
izay rehetra manandevo;
andao hamindra hatrany2,
hitolona tsy hifanjevo.
Aza avela aharava,
ireo rehetra mpanasaraka;
andao hiaraka isava,
hitambatra fa tsy hisaraka.
--------
Rohy:
Sokajy :
fananarana