NY SEZAKO (RARY Elysee)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy politika , tsy mpitondra fivavahana
Fa izay rehetra eo mamikotra mamahana
Izao no voatendry, izaho no voafidy
Izaho irery ihany no masina mpandidy

Raha ianao miady hanongam-panjakana
Gadraina avy hatrany amoronana lalana
Na ianao manoro na miseho manatsatso
Dia valiany tsotra izao hoe izaho anie voaantso

Ry miaramila, ry mpisolelaka, inty aho tompoy
Izay manohitohitra ao, roahy na avy dia vonoy
I madama lay hany nofidiko ho taolan tehezako
Hafoiko tsotra izao raha hamadika ny sezako

Ny hadalako rehetra saromy sy totofy
Avelao izay vahoaka hiaina anaty nofy
Matoa aho eto dia sitrak' Andriamanitra
Ka mieke, mandadia ianareo ambany lanitra

Izaho ambony seza ianareo tsinotsinona
Fahantrana, hadalana : O tsy maninona
Ny sezako ato am-poko hariva sy maraina
Ny sezako io no vavaka tsy sahiko zaraina


Rary Elysee
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RARY Elysee
Nampiditra : bigup
Daty : 21/06/2006 17:01
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128