AVELAO AHO HO MAMO (Ratovo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao aho ho mamo
raha izay vao mahavaoka
rindran-teny feno angola sy fitiavana miavosa
angamba mety ho tafahoatra, avelao saingy kosa
aza raisina ho angano
aza atao hoe resa-toaka

avelao aho hiteny
na miraiki-dela aza
fa ranovaky ny ati-foko ka tsy tànanao intsony
moa niampy rano kely, mainka koa tsy mety tony
fa fitiavana avy ireny
raha ekenao ho sahaza

avelao aho hihiaka
f'aza feranao hangina
raha mamerimberin-teny mety hankaleo anao
sy raha ny amintsika foana no ambetin-teniko ao
enga anie ho to ny antsika
moa tsy izay no faniriana?

ka avelao aho ho mamo
dia avelao koa hiteny
aza ferana ny vavako hoe ampy izay fa matoria!
fa lakana efa nita ny ahy tsy afaka miverin-dia
ka na hisafoto aza ny rano
tsy atahorako ireny

f'efa mamo aloha aho, n'inon'inona tsy ahoako
fa vao manoroka anao eo aho dia misava ny hamamoako!

Ratovo
02/02/2002
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1100 0
Hevitra mandeha
Mandefitra ( 03/12/2007 10:07)
zao zany le hoe mamom-pitiavana an ... Tsy ratsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ratovo
Nampiditra : ttiavina
Daty : 03/12/2007 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1678