Ilay raozy malazo - RAVOSON
Notsofinao ilay anjomara, hanaitra ny fiarahamonina
Narehitrao ilay fanala, hanazava ny manodidina
Natsanganao ilay faneva, hampiravona ilay efa hadiva
Nampandrosoinao ilay mpandalo, ny andro efa hariva.
Novoizinao anefa ity lakan-jejo ka nilaozanao
Nisentosento tamin-dranomaso fa tsy ho afaka ny hilalao
Nilaozanao ilay akany, namonjy fonenam-bao
Ity havanao mitomany, toa tsy tsaroanao.
Nahoana tokoa re ry Tiako, no nivadi-belirano?
Sa efa tonta ny aty ka tsy ahavita ilomano?
Fitiavana madio tokoa, lavitrin'ny angano
No nampanantenainao ahy teo anatrehan'ny maro
Narehitrai ilay Fitia, indrisy enao nandalo
Tsy mba namana hitoetra, fa lasa fahavalo
Nandrendrika ity foko, torotoro sy lao
Maniry ny ho faty, satria nilaozanao.
Mafy amiko anefa ny handao izao dia izao
Ity tany fandalovana, tsy hialan'ny rahoraho
Ity Raozy malazo no sisa mba sitrakao
Ho vavolom-belon'ny fitiavako anao
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAVOSON

Nampiditra : RAVOSON
Daty : 07/11/2019
Mpamangy : 113
Mankafy : 1