Ainga-mpanahy (razafindratsima ndremahery)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINGA-MPANAHY

Navelanao handeha
tsy narahinao tambiny
tsy norohizanao kofehy
...ka lasa
Tsy mba hevitra ampiadiana
tsy mba tetika ifandrafiana
fa ainga-mpanahy
....ka tsy tana
fa lasa nidify nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
....dia lasa
.......
fa lasa nidify nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
....dia lasa
navelany teo ny elanelana
adinony teo ny fotoana
toa tadio mandalo miserana
....ka tsy tana
any an- habakabaka,
eny andohasa
eny an-kebakeba tany
any am- paravodilanitra
......efa DILA....
OCt 2000 .
N . Razafindratsima
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/razafindratsima-ndremahery/ainga-mpanahy
1892 2
Hevitra mandeha
saikynofy ( 17/06/2005 18:50)
tena tsara io kalo io, mankasitraka !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : razafindratsima ndremahery
Nampiditra : Razafy
Daty : 18/05/2005 19:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2333